_miorakoraka erî ny ankizy any ivelany any mahita afo-manga, (zah io miandry kabarin'i filoha!Raha mba misy mahasoa re!)
_tanikeo tao @ shopite lehilahy firy no mibata labiera @ 'cageot' sady ny rayon an'ny toaka no tena nandeha tao, teny ambodivona nisy tovovavy notarisin'ny namany nitabataba eraky ny lalana noho ny @ amamoiny (mponina mivari-lavo)
_solde ny jean teny analakely (tena te ividy mafy ah a!) sy ny tariny nefa ny mahantra sy ny mpangaro-paosy manaraka vozon'akanjo; vao arivariva dia efa maro maso-mena mampatahoatra ny lalana mody (tsy mandry ny tany)
_hirahiraina ny fandrosoana nefa mampanontany tena hoe mandroso mankaiza ary ity tany ty?
*maro @ ny tanora miazakazaka ho @ fahaverezany:miha-miboridana,mihahiva toe-tsaina sy manivahiva fianarana
*ampandrosoina ny firenena ao anaty toe-tsaina maloto,fifampitondrana goragora: ny mponina manao ny lohany,ny mpitondra manao ny ataony
*fitrandrahana mampandroso dia inona no mba ho an'ireo taranaka ao am-para?
_foronina daholo izao 'préceptes', 'principes', 'droits', 'libertés' izao kanefa mamatotra ny tenany sy ny ataony ihany raolombelona
*vohizina ny fiaraha-miasan'itsy firenena sy itsy hafa ao ambadika nefa itsy mitsetsitra an'itsy,itsy miady @ iry
*foronina daholo izao karazana taranja ianarana izao nefa firy no fitadiavam-bola fotsiny kay!
*mifampisisika any am-piangonana dia firy no tena olom-panahy?
=HAFATRO ARY:Aza variana Ramalagasy,aza be resaka fotsiny fa raha mila fiovana ianao dia miovà aloha fa aza tonga koa dia mitsara ny tsy mety ataon'ny mpitondra anao,safidinao anie ny eo e!Ianao no tena hanaiky an'izany 'Majorité' izany ka mahaiza manaiky ary! mianara tsara (ho an'ny sainao,fonao sy fanahinao) ry zandry isany fa ilaina ianao hanova ny tany sy ny firenena! Aza manantena an'izan'iza izany fa mihamafy izao fiainana izao,moa mihamitombo ny olona ka aza mba hanisan'irony olona mameno arabe sy tsy manan-katao irony,tsy misy olona hanome zavatra ho anao maimaimpoana akory eo!